Fitantanan-drano mirindra, antokin'ny famokarana maharitra sy ny fahaleovan-tena ara-tsakafo.
FR MG EN

Momba ny fifaninanana

Fitsipika - Ireo sivana hitsarana - Fanontaniana mety hipetraka

Concours National · Madagascar 2026

Momba ny fifaninanana

Fifaninanana nasionaly hijerena ireo teknika sy fahaiza manao amin'ny fanondrahana sy fitsitsina rano eto Madagasikara.

📋 Fitsipika ⭐ Fepetra 🏆 Prix ❓ FAQ

Fitsipika fandraisan'anjara

1

Iza avy no afaka mandray anjara ?

Olo-tokana na fikambanana. Mipetraka eto Madagasikara. Mampiasa teknika sy fahaizamanao (vaovao) amin'ny fanondrahana/fampiasana rano : mpamboly, tanora, vondrona tantsaha, kooperativa, ONG, mpikaroka, mpandraharaha eo amin'ny sehatry ny fambolena...

2

Inona no alefa eto ?

Vahaolana ara-teknika mazava (fitaovana, fomba fiasa, hevitra vaovao) afahana mampiasa rano amin'ny fomba mitsitsy eny @ toerapambolena madinika (0,1 - 2ha) . Vahaolana efa nampiasaina na efa natao test tsara.

3

Rakikevitra ilaina

Sary 1 ka hatramin'ny 5 manazava ilay teknika/pratika efa miasa. (Tsara raha misy video). Fanazavana. Coordonnés GPS.

4

Vahaolana 1 isaky ny mpandray anjara

Ny vahaolana dia tsy maintsy efa niasa teto Madagasikara.

Fomba fitsarana

Misy ny naoty avy amin'ny mpitsara 5 manana lanja 60% + Ny fifidianana avy amin'ny besinimaro kosa dia mikaonty 40%. Ho jerena manokana ireto lafiny ireto

/1

Zavabaovao sy misy famoronana ve?

Teknika na pratika ny fitaovana vaovao ve ilay atolotra? Misy endrika famoronana ve manoloana ny fiovaovan'ny toetrandro ?

/2

Mahomby sady mitsitsy tokoa ve?

Tena mahomby tokoa ve ilay vahaolana atolotra ary mitsitsy angovo tokoa ?.

/3

Takatry ny maro ary mora atao entretien ve?

Takatry ny tantsaha ve ny vidin'ny fitaovana? Mora atao ve ny fikojakojana (maintenance) ?

/4

Hatezana sy faharetana?

Afaka miasa hafiriana tsy mila entretien ilay vahaolana? Ahoana no fomba fanaovana ny fikojakojana ? Inona avy no ilaina? Misy eny antoerana ve?

/5

Azo aparitaka sy haingana ve?

Afaka ampiasaina amin'ny faritra maro samy hafa ve?

🏆 PRIX

Ny Loka

🥇
1er

Loka voalohany

🥈
2e

Loka faharoa

🥉
3e

Loka fahatelo

Fanontaniana mety hipetraka matetika

Afaka manolotra vahaolana mbola tsy nampiasaina ve? +
Tsia. Ny vahaolana efa ampiasaina na natao test ary azo jerena eny ifotony no afaka mahazo loka.
Amin'ny teny inona no fandraisana anjaran ? +
Ny kandida dia afaka mameno amin'ny Frantsay sy Malagasy.
Ahoana ny fiasan'ny fifidianana ho an'ny besinimaro ? +
Ho ampahafantarina eto amin'ity tranokala ity sy @ Facebook ny fomba fisafidianana amin'ny fotoana maha mety azy.
Oviana no hivoaka ny vokatra ? +
Ny vokatra dia ho ampahafantarina ny 14 Oktobra 2026 mandritra ny lanonana ofisialy anasana ireo mahazo loka.
Azo jerena hatrany ve ny tranonkala aorian'ny hifaninanana ? +
Eny. Aorian'ny hifaninanana dia hijanona ho tahirikevitra maharitra misy vahaolana fampiasana @ rano azo jeren'ny vahoaka ny tranonkala.
Misokatra ho an'ny vahiny ve ny fifaninanana ? +
Eny. No an'ireo fikambanana sy rafitra tena miasa eny ifotonye eto Madagasikara ary hisitrahan'ny malagasy.
Azo anaovana dokam-barotra ve ity tranokala ity ? +
Tsia, ny tanjona dia ny anaparitahana ireo vahaolana afaka ampiasain'ny be sy ny maro @ vidiny mirary, tsy misy tanjona ara-barotra.

Vonona handray anjara ?

Alefako ny hevitro →